airtel

Fifamoivoizana

26-avril-2021

Fifamoivoizana

Taxi niasa Voasakana tetsy sy teroa tamin’ny faran’ny herinandro

Sample post image

Na dia afaka niasa aza ny fiara karetsaka teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro teo

26-avril-2021

 

 

 

 mba hitondra sy hitatitra ireo marary dia nikaikaika fatratra izy ireny. Saika voasakana tetsy sy teroa mantsy ny ankamaroan’izy ireny no sady notakian’ny polisy vola ihany koa raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpamily iray. Rehefa avy manatitra marary iray mantsy izy ireny dia tsy voatery hanaraka azy intsony ny taratasin’ilay marary hahafahany miverina fa tsy maintsy mijanona any amin’ilay tompony ka ilan’ny polisy vanona. Rehefa manazava izany izahay hoy ny mpamily iray dia asain’izy ireny mametraka kely ka foana tanteraka ny paosy. Hetahetan’ireo mpamily taxi araka izany ny tokony hanomezan’ny tompon’andraikitra azy taratasy hahafahany miasa ara-dalàna hisorohana ny tranga tahaka izao tsy hiverina intsony. Tsiahivina hatrany moa fa ireo fiara manana fahazoan-dalana manokana ihany no afaka mivezivezy miaraka amin’ny mpanao gazety, ny mpitsabo ary ny mpiasan’ny Jirama.

Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap