airtel

Fifamoivoizana

08-sept-2021

Fifamoivoizana

Taxibe an’Antananarivo Efa maro ireo mampiasa seza afovoany

Sample post image

Tapitra tanteraka ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

08-sept-2021

Na izany aza mbola mihatra hatrany ireo fepetra sakana maro samihafa hahafahana miaro ny valan’aretina tsy hiparitaka. Mbola misy mantsy ny Covid 19 ary miara-monina amintsika eny anivon’ny fiaraha-monina fa tsy foana akory. Ny mahavariana sy mahagaga anefa dia efa marobe sahady ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina no mampiasa ireo seza afovoany izay marihina fa tena tsy manaja mihitsy ilay elanelana 1 metatra. Hataon’ny sasany amin’izy ireny haingon-tseza fotsiny ihany koa sisa ilay tsiranoka fanosotra amin’ny tanana tokony hozaraina amin’ny mpandeha fa tsy misy hampiasainy araka ny tokony ho izy intsony. Ny tena manahirana dia betsaka ireo mpandeha no mitandrina fatratra amin’ny fanaovana aron-tava nefa misy ihany koa ireo miditra tsy ampihambahambana tsy manao izany intsony ao anaty taxibe ka mampitaraina ny maro. Tsiahivina moa fa ankoatra ny Covid 19 dia miaro amin’ny gripa mahery sy ny pesta aretin-tratra izay samy mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny aron-tava ka tsy tokony hadinoana mandrakariva ny manao azy ireny.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap