airtel

Fifamoivoizana

13-juil-2022

Fifamoivoizana

Taxibe Andoharanofotsy « Tsy ampy anay io 600 ariary io »

Sample post image

Nitokona tsy nisy nety niasa avokoa omaly maraina ireo taxibe miazo an’Andoharanofotsy. Tsy mety amin’izy ireo hono mantsy ilay saran-dalana 600 Ar , izany hoe :

13-juil-2022

fiakarana 100 Ar monja fa ilay 1.000 Ar nampanantenain’ny UCTU hatramin’izay no mety amin’izy ireo. Nihitsoka teo amin’ny tobim-piantsonana manakaiky ny tsena avokoa vokatr’izany ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’io omaly maraina io niandry ny sitrapon’izy ireo. Tsy vitsy tamin’ireo mpianatra mbola mianatra sy ny mpiasa noho izany no tara tsy fidiny. Hatezerana tsy roa aman-tany noho izany ny an’ireo mpandeha. Tsy mitsinjo ny fahasahiranam-bahoaka, tia tena…. izany no nivoaka ny vavan’ireo mpandeha teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny. Vaovao farany azo moa ora maromaro taty aoriana dia ny fahafantarana fa niverina niasa ihany izy ireo noho ny fandaminana nataon’ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique