airtel

Fifamoivoizana

26-mars-2021

Fifamoivoizana

Taxibe Antananarivo Lasa niverina olona iray ny eo amin’ny “devant”

Sample post image

Matahotra ny ankamaroan’ny olona manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

26-mars-2021

 

 

Tsy mbola nisy akory ny fepetra navoakan’ny Fitondram-panjakana araka izany dia efa maro ireo mahay mifehy tenany ho azy. Ho an’ny taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina ohatra omaly dia efa tsy vitsy tamin’izy ireny omaly no tsy nametraka olona roa teo anoloana manakaiky ny mpamily fa iray ihany. Ho fanajana ilay elanelana 1 metatra no anton’izany raha ny resaka nifanaovana tamina mpamily iray. Na izany aza anefa dia anisan’ny mampitaraina azy ireo kosa ny fizarana gel fanosotra amin’ny tanana izay tokony hataon’ny fanjakana laharam-pahamehana mihitsy. Hangatahin’izy ireo ihany koa ny hanakaikezana ny toerana famendrahana ranom-panafody ho an’ny taxibe mba tsy handany fotoana azy ireny be loatra. Manenjika volan’ny mpampiasa 50.000 Ar isan’andro mantsy ny iray amin’izy ireny raha kely ankoatra ny vola entina mody.

Pati

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap
12-avril-2024

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

Card image cap