airtel

Fifamoivoizana

01-mars-2022

Fifamoivoizana

TAXIBE Efa manomboka miverina ilay toerana 5

Sample post image

Raha mbola tsy foana tanteraka fa mbola namono olona 16 isa tamin’ny faran’ny herinandro teo ilay valan’aretina Covid 19 teto amintsika dia efa marobe sahady ireo tsy mivaky loha intsony ny amin’ny fiarovan-tena tokony hataony.

01-mars-2022

 Eny an-dalam-be ohatra dia efa marobe ireo tsy manao arovava orona intsony. Hita hatrany anaty taxibe izany ka misy ireo mpamily sy ny mpanampy azy sahy mitondra ireo mpandeha tsy manao arovava orona raha misy kosa ireo tena sarotiny ka mahavita mampidina eny an-dalana mihitsy. Ankoatra ireo dia anisan’ny tena olana ny fisian’ireo taxibe efa sahy mitondra olona 5 isaky ny tsanganana iray. Fenoin’izy ireo avokoa ny strapotin rehetra na ilay seza volamena afovoany iny ka rehefa mandalo polisy dia miondrika ao ambany avokoa ireo mpandeha mipetraka amin’izany. Tsy voahaja intsony ilay fepetra napetraky ny Fitondram-panjakana araka izany indrindra fa ilay elanelana 1 metatra isaky ny olona. Izany fanomezana gel famonoana otrik’aretina fanosotrona amin’ny tanana fanao eo am-baravarana izany moa dia tsy misy intsony. Tokony ho hentitra araka izany ny fitondram-panjakana manoloana ireny karazana goragora sy gaboraraka amin’ny ady hatao amin’ny Covid 19 ireny. Na ny aretina pesta sy ny gripa mahery izay mahazo vahana amin’izao ihany koa mantsy dia fantatra fa voaaron’ny fampiasana sy fanaovana arovava orona.
Pati

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap
12-avril-2024

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

Card image cap