airtel

Fifamoivoizana

06-avril-2022

Fifamoivoizana

Taxibe - zotra G Tafakatra 1.500 Ar ny saran-dalana amin’ny hariva

Sample post image

Mihalalina ny fahasahiranan’ny Malagasy. Ankoatra ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay tsy lazaina intsony dia tena mafy ihany koa ny mahazo ny rehetra amin’ny hafitsoky ny taxibe.

06-avril-2022

Ho an’ireo mampiasa ny zotra G miazo an’Alakamisy Fenoarivo, sy Cur Vontovorona dia tafakatra 1500 Ar ny saran-dalana raha vantany vao harivariva ny andro, raha araka ny fitarainan’ireo mpandeha. 1.000 Ar anefa izany raha lafo indrindra, raha 700 Ar kosa hatreo Fenoarivo. Ny samy madinika ihany no mifampitsentsitra araka izany. Nambaran’ireo mpandeha milahatra ity taxibe ao amin’ny zotra G etsy Anosy ity fa tsy misy saran-dalana hatreo Fenoarivo….izany intsony fa tokana ihany ka raha vantany vao tsy manana io 1500 Ar io dia midina avy hatrany na milahatra etsy Anosy manomboka amin’ny 03 ora folakandro aza. Ho an’ireo mpamily sy ny mpanampy azy moa dia nambaran’izy ireo fa efa tena reraky ny hafitsoky ny polisy ihany koa izy ireo ka tsy maintsy any amin’ny mpanjifa no hamenoana ny banga. Hangatahin’ireo mpampiasa ny zotra G moa ny hametrahana tompon’andraikitra eny Anosy raha vantany vao harivariva ny andro. Toraka izany koa ny fanomezana laharana ireo mpandeha milahatra rehetra mba tsy hisian’ny fanavakavahana ireo manana sy tsy manana 1500 Ar.Tena mampalahelo ny zavatra iainan’ny madinika raha fehezina. Ny fanjakana anefa etsy an-daniny, variana miazo ny sezany fotsiny tsy mahatsapa ny tolona iainan’ny isan-tokantrano isan’andro. Zavatra hafa mihitsy no mbola mahaseriny azy ireo fa tsy ilay tena maharary ny vahoaka tahaka izao.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap