airtel

Fifamoivoizana

29-avril-2026

"Terminal"

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

Sample post image

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

29-avril-2026

Niova tanteraka ny terminal nasionaly eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, taorian'ny tsy nisiana fanavaozana lehibe efa ho 50 taona. Mitentina 6 lavitrisa ariary vola lany tamin’ny fanavaozana. Nampitomboina ny fahafahany mandray mpandeha: avy amin’ny 120 isan’ora dia lasa 216 isan’ora. Ny rafitra fitantanana entana koa dia niakatra avy amin’ny 297 ho 900 isan’ora noho ny fanitarana ny tapis. Ny efitrano fiandrasana kosa nitombo ho 760m² misy seza 236, raha 380m² sy seza 151 teo aloha. Ny varavarana fiakarana lasa 4 raha 2 teo aloha, ary ny toerana fitiliana entana dia lasa 2 raha 1 teo aloha. Ankoatra izany, nisy fanampiana toerana vaovao: toeram-pivarotana anatiny sy ivelany, toerana filalaovan’ny ankizy, toerana fialan-tsasatra, “lounge” ho an’ny mpandeha manana sata manokana, toerana ho an’ny sidina manokana ary toerana fampirantiana ara-kolontsaina. Ireo rehetra ireo dia natao hanamafisana ny maha-vitrina ny fandraisana malagasy. Hatramin’ny volana janoary 2025, eo amin’ny 60 isan’andro ny fivezivezen’ny fiaramanidina: 32 sidina ara-dalàna (19 anatiny, 11 isam-paritra, 2 iraisam-pirenena) sy 27 sidina manokana (25 anatiny, 2 isam-paritra). Mandritra ny vanim-potoana be mpitsidika, mety hahatratra 100 sidina isan’andro. Ny isan’ny mpandeha nandalo teto tamin’ny taona 2025 dia tombanana ho 372 000, indrindra tamin’ny sidina anatiny, izay notantanan’ny Madagascar Airlines. Nambara fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taona nitantanan’ny orinasa Ravinala Airports ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be ity asa fanavaozana ity, izay manamarika dingana vaovao ho an’ny seranam-piaramanidina nasionaly, manome endrika mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ary manamafy ny fahafahana mandray sy mandray anjara amin’ny fitomboan’ny fivezivezena sy ny fizahantany eto Madagasikara. Nitarika ny lanonana moa ny Kolonely Michaël Randrianirina, niaraka tamin’ny Kolonely Thierry Rampanarivo, ny Jeneraly Marcelin Zafitasondry Ranoelson ary ny Kolonely Gervais Andriamiharisoa. Navoitra fa porofo ity asa fanavaozana ity fa azo atao ny mamadika fanamby ho asa mivaingana, saingy nanamafy ihany koa izy ireo fa tsy maintsy atao ny ady amin’ny kolikoly raha tiana ny hampandrosoana maharitra ny fizahantany sy ny toekarena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Amboarina ny lalana ao amin'ny

Card image cap