airtel

Fifamoivoizana

28-mars-2022

Fifamoivoizana

Tetezan’Ampasika Nifatratra tany anaty rano ilay fiara 4x4

Sample post image

Fiara 4x4 iray omaly alahady maraina tokony ho tamin'ny 1 ora no nandona ireo arofanina ary nifatratra tany ambany tetezana, teny Ampasika, lalana miazo an’Itaosy.

28-mars-2022

 Raha araka ny fantatra dia saika hihazo an'Itaosy fiara 4x4 tra-doza ity. Naheno zavatra nidona mafy ireo mponina teny an-toerana, antony nanaitra azy ireo tamin’ny torimasony raha araka ny fanazavana azo. Niendaka mihitsy moa ilay arofanin'ny tetezana noho ny dona mafy nahazo azy. Raha araka ny fantatra hatrany dia lehilahy miisa dimy no tao anatin'ity fiara ity, izay samy avotra soamantsara daholo ny ainy na dia nisy naratra ihany aza. Ankoatra ny olana ara-mekanika mety hahazo ny fiara moa dia anisan’ny antony mety hiteraka loza tahaka izao ihany koa ny fitondrantenan’ny mpamily toy ny fifamoana sy ny fandehanana mafy. Tokony ho mailo hatrany araka izany ny rehetra no sady hitandrina fa tsy hananam-piry ny aina.
Nangonin’i Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap