airtel

Fifamoivoizana

29-juil-2024

Tetezan’i Brickaville

Lehilahy iray maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamio

Sample post image

Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamio ny sabotsy teo tany Brickaville,

29-juil-2024

teo ambonin’ny tetezana ao an-toerana. Ny tongony sy ny lohany no notetezin’ny fiara, ka tsy nisy ala nenina azo natao, raha ny sary avy tany an-toerana. Tsy misy fanazavana mazava mikasika ny antony niteraka ny loza. Heverina ho tsy tsikaritry ny mpamily ny fisiany. Isan’ny manahirana sy tena ilàna fitandremana ny kamio lehibe amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana satria noho ny habeny dia misy ilay antsoina hoe : « angle morte » izay mety tsy ho hitan’ny mpamily ireny fiara lehibe ireny. Tongony hitandrina ny rehetra na ny mpamily na ny mpandeha an-tongotra, na ny samy fiara, satria ny loza tsy mampiomana. Mety ho tsy fitandremana avy amin’ny iray amin’ireo dia mety hitera-doza. Ny lozam-pifamoivoizana rehefa hamoizina ain’olona na niniana na tsia, dia matetika tsy maintsy misy fidirana am-ponja. « Ianareo mpamily mba miadiva mba hanana « assurance personnelle » mba hiarovana anareo fa ny « assurance » fiara tsy maharo anareo fa an'ny fiara ihany. Raha mahay ny mpitory dia ianao mpamily no toriany dia ny « conscience professionnelle » anao izany no takiana izany hoe : efa ao anaty faritra mampidi-doza dia inona no fepetra no raisinao, fiara vaventy no nentinao, lasa nanao « abus de priorisation » izany ianao », hoy ny ampahana fanehoan-kevitra mikasika ireo fiara lehibe sy ny mpamily azy. Entanina hitandrina hatrany ihany koa ny mpandeha an-tongotra satria ny aina tsy ananam-piry.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Tsy alatsinainy, tsy talata, tsy sabotsy, tsy alahady, saika isan’andro vaky

Card image cap
02-juin-2025

Tany amin’ny taona 1987 mbola tratran’ny lamandy 140 Ariary na 700 Franc izahay,

Card image cap