airtel

Fifamoivoizana

12-janv-2021

Fifamoivoizana

Tetikasa “fly over” Anosizato sy Ampasika Mila miomankomana ireo hafindra toerana

Sample post image

Hanomboka tsy ho ela ny asa fananganana ny fotodrafitrasa “Fly Over” na

12-janv-2021

 

 

 

tetezana sy làlana mitsingevana etsy Anosizato sy Ampasika, araka ny serasera mandeha amin’izao fotoana izao. Eo am-pandinihana ny asa fanomanana rehetra ny Minisitera tompon'andraikitra ka hamoaka ny anaran'ny Orinasa nahazo ny tolo-bidy, hoy ny fampahalalam-baovao. Tsiahivina, fa tany amin’ny 15 jolay 2020 no namoahana ny “appel à manifestation d’intêret” ho an’ireo orinasa te hanao ny asa, ary nifarana ny 03 aogositra 2020. Nambara tamin’izany, fa hanomboka mialohan’ny fiafaran’ny taona 2020 ny asa. Marihina fa 20 tapitrisa dolara indramina avy amin'ny BADEA (Banque Arabe de Développement en Afrique) no hanatanterahana izany. Fampindramam-bola azo aloha anatin'ny 30 taona izy io, amin'ny zana-bola 1%, ary afaka 10 taona vao hanomboka ny fanonerana azy. Raha tena hanomboka tokoa ny asa, dia efa mila miomankomana izany ireo mety ho voakasika eny amin’ny manodidina, fa ho maromaro no tsy maintsy hifindra sy hafindra toerana satria tena midadasika ny asa ary misy fenitra tsy maintsy hajaina amina fotodrafitrasa tahaka itony fa tsy tahaka ny arabe nahazatra hatrizay ka hoe ho feno mpivarotra sy tsena amin’ny sisin-dalana..

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap