airtel

Fifamoivoizana

11-juin-2021

Fifamoivoizana

Tetikasa Flyover Tsy maintsy hisy fandravana trano eny Anosizato

Sample post image

Hifarana ny 15 jona 2021 ho avy izao ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mponina voakasiky ny tetikasa flyover eny Anosizato

11-juin-2021

 

 

 raha araka ny fanazavana voaray avy ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany.Iray volana no naharetan’io fanadihadiana io ka nakana ny hevitry ny olona ny amin’ny mahamety na tsia ilay tetikasa, inona ny sosokevitra, hetaheta na fanakianana.Hisy avy eon y firaiketana an-tsoratra.Mbola drafitra vonimaika ihany aloha no natao hatreto ary io no atao peta-drindrina eny amin’ny fokontany sy kaominina voakasiky ny tetikasa araka ny fanazavana ihany.Na dia tsy mbola misy aza anefa ny fanapahan-kevitra raikitra sy ny daty hanombohan’ny asa dia efa mazava fa tsy maintsy hisy ny trano harodana;miainga eo amin’ny tetezan’Anosizato ka hatreny amin’ny tobi fivarotan-tsolika Shell Anoszato ihany no tena fototry ny tetikasa flyover, izany hoe ao anatin’io faritra voalaza io no hisy fandrodanana trano sy fanagiazana tany.Mazava ho azy tsy maintsy honeran’ny fanjakana ireo mponina iharan’izany ary hisy fifanarahana.

RTT

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap