Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse Andohatapenaka mantsy dia nahalasa fiarakodia 140 isan’andro izy ireo nanomboka ny Alakamisy 17 Aprily teo raha 90 isa isan’andro izany amin’ny andavanandro. Ny miazo an’i Mahajanga, Toamasina, Faritra Sofia ary Diana no tena betsaka indrindra. Na izany aza tsy mpitsangatsangana no tena betsaka tamin’izy ireo fa ao ihany koa ireo mpanao varo-mandeha nanenjika fety tany amin’ny faritra. Na izany aza moa ny hamaroan’ireo olona nivoaka ny faritra dia fantatra fa tsy nisy fiakarany ny saran-dalana. Nampitaraina ny maro kosa anefa ny nafitsok’ireo taxi-brousse sasany niazo an’Antsirabe. Nisy nampiakatra saran-dalana hatrany amin’ny 25.000 Ar mahery mantsy ny sasany indrindra tamin’ny Sabotsy 19 Aprily teo. Nifandrombahana tanteraka mantsy ny fivoahana niazo an’Antsirabe. Ankoatra ireo namangy havana sy Ray aman-dReny nanao fety tany ambanivohitra dia tsy vitsy ihany koa ny namonjy ilay hetsika Star Tour, fampisehoana goavambe mampiavaka ny tananan’Antsirabe rehefa fetin’ny Paska tahaka izao.
Pati
Legende : Betsaka ireo olona nanao fety tany amin’ny faritra !
Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato omaly talata 24 jona 2025
Tsiahivina fa ny Alatsinainy 16 Jona teo no niainga avy tao Mahajanga ny
Zava-doza no nitranga teny amin’ny toerana antsoina hoe "Coca",