airtel

Fifamoivoizana

29-août-2022

Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana MAKI Fiara miisa 225 no miainga isan’andro

Sample post image

Fiara 200 ka hatramin’ny 225 isan’andro no miainga eny amin’ny toby fiantsonana nasionaly Maki Andohatapenaka

29-août-2022

raha araka ny fanazan’ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo.Mizotra amin’ny lalam-pirenena voalohany, faharoa, faha efatra ary faha enina izy ireo.Ny mandeha any Mahajanga (RN4) no maro an’isa indrindra satria mahatratra 74 isan’andro.Mpandeha 4300 eo ho eo noho izany no miainga isan’andro eny Andohatapenaka.Mbola latsaka kely ireo tarehimarika ireo raha oharina ny tamin’ny taona 2019, izany hoe mialohan’ny valanaretina sy ny fihibohana, satria dia 300 isan’andro ny fiara niainga teny amin’ny tobim-piantsonana Maki ny tamin’izany, indrindra moa fa rehefa vanim-potoan’ny fialan-tsasatra.Nohamafisin’ny mpitantana ihany koa fa misy ny fanarahamaso eo am-piaingana ka jerena ao anatin’izany ny taratasin’ny fiara sy ny lafiny ara-teknika ; tsara ho marihina ihany koa fa misy ny « caisse unique » amin’ny fandoavana ny saran-dalana mba isorohana ny mety ho halatra sy fisolokiana..
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap