airtel

Fifamoivoizana

29-nov-2022

Fifamoivoizana

Tovolahy 22 taona maty tao Manakara Fiaran’ny Fiadidian’ny Repoblika no nandona azy ?

Sample post image

Tovolahy vao 22 taona monja antsoina hoe: Dim no maty tsy tra-drano ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo tao Manakara tsy lavitry ny Lapan’ny tanàna na ny Hotel de Ville.

29-nov-2022

Lozam-pifamoivoizana no nahavoa azy raha nandeha moto takariva, ary nisy fiara nifanehitra taminy. Fiara takelaka mena na “plaque rouge” no voalaza fa nahavanon-doza, araka ny resaka niely, saingy tsy mbola nisy fanamarinana ofisialy momba an’izay aloha. Nisy mihitsy ny filazana tamin’ny tambazotran-tserasera facebook niparitaka omaly fa fiaran’ny fiadidian’ny Repoblika no nandona an’ity tovolahy ity fa nezahina nafenina ary naiditra avy hatrany tao amin’ny tranom-paty ny razana, ary ny fianakaviana izay nanao ny fikarohana no naheno fa maty tsy nisy mpikarakara ny zanak’izy ireo, ary ny alahady vao hita. Tsy nisy aloha hatramin’ny fotoana nanoratana ny fanamarinana na fandisoana na fiaran’ny fiadidian’ny Repoblika tokoa na tsia no nifanao lozam-pifamoivoizana tamin’ilay tovolahy, ka nahafaty azy. Ny azo antoka dia nisy ny dian’ny Filoham-pirenena tany an-toerana nitokan-javatra sy nametraka vato fototra ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana, nisy tokoa ny nanamafy fa fiara takelaka mena no nifanehitra tamin’ilay tovolahy, ka nahafaty azy. Fiaram-panjakana hafa sa an’ny fiadidian’ny repoblika tokoa? Raha ny fanamarihan’ireo havany, dia tsy nisy fanazavana, fa dia nalaina fotsiny ny razana, ary mbola miandry ny reniny izay ambanivohitra lavitra, raha ny fanampim-baovao. Talem-paritry ny fanatanjatahan-tena taloha tao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany izay efa nodimandry tamin’ny taon-dasa moa ny rain’ity tovolahy vao erotrerony namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Manakara ity, raha ny fanamarihana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

Card image cap
15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap