airtel

Fifamoivoizana

17-août-2021

Fifamoivoizana

Tsy fanajana ny fananana iombonana Misy manary fako sahady eny amin’ny Rocade

Sample post image

Lalam-baovao tena miavaka ary manafaka ny ampahan’ny fitohanana eto an-drenivohitra ny Rocade d’Iarivo, lalana vaovao vao notokanana herinandro maromaro lasa izay

17-août-2021

. Ny mampalahelo anefa dia misy manary fako sahady eny an-toerana, indrindra fa amin’ireo faritra somary takotakona. Efa misy manao maloto ihany koa ny sisiny, fihetsika izay tena mampalahelo ka tokony handraisana fepetra. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana dia ireo mpampiasa ity lalana ity ihany no manao ireny maloto ireny sy manary ireo fako samihafa izay misy amin’ny sachet plastika mihitsy ny an’ny sasany. Misy koa hoy izy ireo ireo mihinan-kanina anaty fiara ary manipitsipy ny fako fahatany rehefa mandalo ka mieritreritra kely akory izay fiantraikan’izany. Anisan’ny hetahetan’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny tokony hijeren’ny mpitandro ny filaminana ireo mpanary fako sy mpanao maloto ihany koa ankoatra ny fampianarana ny fampiasana ny lalana izay efa tanterahin’izy ireo.
Pati

 

Dans la même rubrique