airtel

Fifamoivoizana

05-juil-2022

Fifamoivoizana

UCTU Tsy mbola hampiakatra saran-dalana indray anio

Sample post image

Asa na noho ny tahotra na noho ny antony hafa fa tsy mbola hampiakatra saran-dalana indray ny vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU.

05-juil-2022

Raha tsiahivina mantsy dia anio talata 05 jolay no fotoana notondroin’izy ireo hanaovana izany fampiakarana saran-dalana izany ary 1.000 Ar no voafaritra sy tapak’izy ireo. Tsy mbola afaka manatanteraka izany anefa izy ireo. Mbola miandry ny antso hataon’ny Fitondram-panjakana mantsy ireo mpitatitra hahafahana manapaka izay saran-dalana zakan’ny sarababem-bahoaka. Tsy neken’ny fanjakana rahateo ilay 1.000 Ar no sady mbola hiandrasan’izy ireo ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika ihany koa. Miankina amin’ny marimaritra iraisana hifanaovana amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika araka izany no hijeren’ny Fitondram-panjakana ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana izay vao hampitaina any amin’ireo mpitatitra, fanapahana izay tsy maintsy hiarahan’ny roa tonta mikaon-doha ihany koa.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap