airtel

Fifamoivoizana

08-juin-2022

Fifamoivoizana

Vangaindrano Nahatrarana rongony, toaka gasy ilay sprinter

Sample post image

Fiara Sprinter avy any Vangaindrano hiazo an’ Antananarivo no tratra nitondra rongony 11 fonosana, milanja 10,55 kg, kafe 03 gony milanja 137 kg,

08-juin-2022

ary toaka gasy 35 litatra ny alahadin’ny pentekosta teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Nandritra ny sakana nataon’ny zandary teo Amporoforo izay vavahady mivoaka ny Faritra Atsimo Atsinanana no nahatrarana azy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsy neken’ny mpamily ny hisavana ity fiara ity.Rehefa nantsoina ny kôperativany dia nilaza fa tsisy fiara afaka hamindràna ireo olona ireo ka nampanaterina tany Vohipeno ny mpandeha dia nafindra ary naverina tany Farafangana ilay fiara sy ny mpamily roalahy. Rehefa tonga tao Farafangana anefa io fiara io dia nosavaina ka tratra tao anatin’ny fitoeran'entana namboarina manokana ireo zava-boarara ireo. Nogiazana avy hatrany ilay fiara noho izany. Ireo rongony sy toaka gasy kosa dia notaterahina nentina hopotehina.Ankoatra izay dia hanaovana fanadihadiana ihany koa ireo mpamily 02 lahy nitondra an-tsokosoko rongony sy toaka gasy ary ny tompon'ny kafe. Hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity ny raharaha.
Nangonin’i Pati

Legende : Ilay fiara sy ireo entana voarara tao anatiny
 

Dans la même rubrique