airtel

Fifamoivoizana

23-mai-2024

VERY HASINA ANTANANARIVO

Feno taxi-bisikileta, posy, sarety ny lalana

Sample post image

Very hasina tanteraka ny tananan’Antananarivo.

23-mai-2024

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny resaka fahadiovana sy fandrindrana ny fifamoivoizana fa samy manao ny hataony avokoa ny tsirairay. Anisan’ny tena mahavaky vava ny maro no sady mahalasa saina ny zava-mitranga etsy Anosibe isan’andro. Ankoatra ny hamaroan’ny olona mahatratra an’arivony isan’andro mifamezivezy mantsy dia tsy lazaina intsony ny hafitsok’ireo mpitondra taxi-bisikileta, ny taxi-moto,ny posy ary ny sarety. Mila tsy hisy lala-kodiavina intsony eny amin’ny arabe fa mifangaro tanteraka ny akoho sy ny vorona indrindra raha vao maraina iny. Ireo mpivarotra amoron-dalana tsy lazaina intsony izay efa mila ho tonga eny amin’ny antsasaky ny arabe…Reraka vao maraina ny saina, atahorana ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana hitranga indrindra fa ho an’ireo taxi-bisikileta. Miantso ny mpitantana ny tananan’Antananarivo renivohitra manoloana izany ireo mpampiasa lalana eny amin’iny faritra iny fa tena mihoam-pefy loatra ny tsy fanarahan-dalana sy ny gaboraraka miseho eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa.
Pati
Legende : Gaboraraka tahaka izao ny tananan’Antananarivo !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap