airtel

Fifamoivoizana

28-déc-2021

Fifamoivoizana

Vonjy voina an-dranomasina “Hatsaraina ny drafitra nasionaly”

Sample post image

Hakana lesona amin’ny ho avy, tsy hisian’ny loza intsony, ary hanatsarana hatrany ny zava-nisy ny raharaha sambo MS Francia II,

28-déc-2021

hoy ny teo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina omaly. Ankoatra ny fanadihadihadiana ara-teknika sy ara-keloka, dia zava-dehibe ny fanintsiana na “rédressement” amin’izay zavatra tokony ahitsy mba tsy hitrangan’ny loza, ka isan’ny akaiky indrindra ny fanamafisana ny fisavana ny sambo rehetra manao fitaterana na olona io na entana ho an’ireo sambo misa any Mananara, Sonierana Ivongo Vavantenina, Maroantsetra, hoy ny Tale Jeneralin’ny APMF Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina. Hisy ny fanamafisana ireo olona mpanara-maso any an-toerana. Ho an’ny antenantenan’ezaka, dia efa any an-toerana ny sambo natao hamonjy voina an-dranomasina. Ny farany teo, dia nametraka sambo ihany koa ny BNGRC ao Sonierana Ivongo hanamafisana ny fitaovana efa misy. Ny tafika, dia efa manana fitaovana ihany koa ao Sainte Marie. Ny mila hatsaraina dia ny hoenti-manana na “logistique” ahafahana manetsika ireo, ary efa voajerin’ny APMF ny tetibola hanetsehana an’ireo raha misy ny loza, ka tsy tokony ho olana intsony izany. Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera sy rantsa-mangaika manana fitaovana azo ampiasaina amin’ny vonjy voina an-dranomasina. Hisy fantsarana ny drafitra nasionaly momba ny vonjy voina an-dranomasina ahafahana manatsara bebe kokoa. Hojerena akaiky ihany koa ny “cycle de vie de la navire” miainga any amin’ny fanamboarana, any amin’ny fotoana fiasan’ny sambo (phase d’expolitation), fisafoana eo am-piaingana (foramalité de partance), ny faharetan’ny fitaovana hoentina miatrika ny aroloza, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny APMF.

Notsipihin’ny Tale Jeneralin’ny APMF kosa fa mitaha amin’ireo loza tany aloha izay tamin’ny sambo Elisabeth II ny aogositra 2014 no isan’ny goavana, dia hita taratra ny fahafainganan’ny fidirana an-tsehatra na “intervention”, tamin’ny sambo Francia III ka nahafahana nahazo vokatra tamin’ny famonjena ireo aina mbola velona. Nisy ny fandraisana anjara mavitriky ny sampan-draharaha samihafa, ka tao anatin’ny 3 andro dia efa saika hita avokoa ny ankamaroan’ny olona.
Toky R
Ny Tale Jeneralin’ny APMF nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly

 

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap