Nivondrona tetsy amin’ny EPP JJ Rabeharivelo ny faran’ny herinandro teo ireo Zanak’i Tsarahonenana Sahanivotry. Ny hita, hoy izy ireo, dia tanàna tokony handroso ity kaominina iray ao amin’ny distrikan’i Vakinankaratra ity. Vokatra ao ny ronono, paiso, paoma mamatsy faritra maro eto amin’ny firenena, hoy ny fanazavàna. Noho ny haratsian-dalana nefa dia sahirana ireo tantsaha mpamokatra. Tsy afaka mamoaka, araka ny tokony ho izy, ireo vokatra izy ireo hany ka matiantoka. Tapaka, noho izany, ny hevitra fa ho hatsangana ny fikambanan’ny zanak’ity faritra ity hampiroboroboana koa ny fiainan’ireo tantsaha mpamokatra. Vaovao nafana sy ratsy nalaza erantany mihitsy dia ilay fitsaràm-bahoaka nandoroana 3 lahy no mba nahafantarana ity kaominina ity farany teo na dia eo aza izany vokatra tsara maro izany. Taratry ny fahasahiranan’ireo mponina ihany koa izany vokatr’izay haratsian-dalana izay. Eo koa ny tsy fifampitokisana loatra intsony eo amin’ny vahoaka sy tomponandraiki-pahefàna na andrim-panjakàna nisy teo aloha. Eo ny fahadisoam-panantenana mahazo matetika ireo vahoaka amin’iny faritra iny noho ireo fampanantenàna tsy tanterahin’ny mpanao politika sasany rehefa mahazo fitondràna. Mirongatra dia mirongatra, etsy ankilany, ny tsy fahandriampahalemana. Mahatonga krizy lalina izany rehetra izany ary hatrany amin’ny krizy ara-moraly mihitsy ka mahatonga mponina sasany handray fanapahan-kevitra tsy voahevitra. Izay no hanaovana antsoavo amin’ny fitondràna ankehitriny hanatanterahana ny fanovàna marina sy mipaka amin’iny faritra iny. Ny fanamboaran-dalana no vahaolana voalohany. Io no ahafahan’ireo kaominina mandroso. Atomboka eto Antananarivo ny fananganana ny fikambanana ary ho tohizana any Antsirabe, izay faritra misy ity distrika ity, hoy hatrany ny fanambaràn’ireto zanaky ny faritra ireto.
Nangonin’i J. Mirija