nefa miantefa amin’ireo manao ity asa ity eto an-drenivohitra ihany koa. Rehefa mahazo mpanjifa tsy mahazatra dia tokony alaina ny laharam-pindain’izy ireny. Rehefa handeha lavitra koa dia mba antsoina ny vady hahafantarana ny toerana aleha. Tokony mijanona rehefa sakanan'ny polisin’ny lalana ary mifampiresaka. Raha vao mandalo toerana tsy milamina na mangingina anaty kirihitra dia tsy tokony hijanona mihitsy fa aleo any amin’ny toerana be olona. Farany moa dia tokony handray ny laharan'ny mpitandro filaminana akaiky azy ireny mpitondra taxi moto ireny na izay lalovany hahafahana mifampiantso haingana raha sanatria sendra olon-dratsy. Tsiahivina moa fa maro ireo mpitondra taxi moto efa namoy ny ainy sy naratra mafy tamin’ny fanaovana ity asa ity, antony manosika ny zandarimariam-pirenena hanome ny toro-marika hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany amin’izany ity mpitondra taxi-moto iray ity !
Tsy alatsinainy, tsy talata, tsy sabotsy, tsy alahady, saika isan’andro vaky
Tany amin’ny taona 1987 mbola tratran’ny lamandy 140 Ariary na 700 Franc izahay,