airtel

Fifamoivoizana

17-déc-2021

Fifamoivoizana

Zotra 114 Nosamborina ilay resevera mpibeda nonom-behivavy

Sample post image

Efa nosamborina ilay resevera nanao fihetsika mamoafady tamin’ny vehivavy Tovovavy iray nandeha bus 114 no nitaraina tamin'ny tambazotran-tserasera facebook omaly fa nanaovana resevera iray fihetsika mamoafady

17-déc-2021

. Raha sendra nivoaka ny bus iny ilay tovovavy dia nopotserin' ilay resevera mafy ny nonony no sady mbola nihomehezany ihany. Rehefa nitantara tamin'ny namany niray bus taminy ilay tovovavy dia nilaza ihany koa ilay namany fa nataon'ilay resevera toy izany saingy tsy nahasahy niteny fa natahotra azy . Nitondra fikorontanana ara-tsaina ho azy ireo vokatr’izany ny fihetsik'ity rresevera 30 taona ity. Manoloana izany fihetsika tsy voahevitra nahazo azy mirahavavy ireo izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy amin'ny ady hatao amin'ny herisetra tahaka izao. Tsy niandry ela izy ka tratra teny Ambohijanahary ilay resevera ary nosamborina avy hatrany hanaovana fanadihadiana. Araka ny fantatra dia tsy vao izao izy no nanao fihetsika mamoafady tahaka izao saingy izao vao nisy sahy nitaraina ka nahafahan'ny Polisy nandray ny andraikiny.
Pati
Legende : Ity ilay resevera !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap