airtel

Fifamoivoizana

31-mars-2022

Fifamoivoizana

Zotra Ivato-Antananarivo Betsaka ny fitarainana voaray

Sample post image

Midingin-drambo ireo taksibe eny Ivao izay milaza fa misy ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro filaminana.

31-mars-2022

 Misy ihany koa ny fanomezan’ny Fiadidian’ny tanànan’Ivato alalana ho an’ny zotra hafa hitrandraka ny asam-pitaterana mampifandray ity tanàna ity amin’Antananarivo Renivohitra noho ny hafitsoky ny kaoperativa ankehitriny, izay mampijaly vahoaka. Tetsy ankilany, «Manao ny asany ny polisy », hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, manolona ny fihetsiketsehana ataon’ny mpitatitra miasa amin’ny zotra Ivato-Antananarivo, milaza fa « tsy faly » amin’ny fanasaziana ataon’ny polisy, ka nanao fitokonana efa roa androa omaly. « Mampihatra ny lalàna misy izahay », hoy hatrany ny komisera Randriambelo Mandimbin’Ny Aina Mbolanoro. Nilaza io tompon’andraikitra io, fa betsaka ny fitarainana voaray amin’ireo mpitatitra eny Ivato ireo toy ny fanaovana taingim-be rehefa hariva, ny fampiasana ny seza volamena ary ny fiverenan-dalana eny antenantenany, tsy tonga hatramin’ny farany akory. Matetika dia miodina eo Andranomena na Ambohibao izy ireo raha ho any Antananarivo. Ny faran’ny lavitra indrindra dia eo amin’ny fiantsonanana eo amin’ny « Ny Havana 67 Ha ». Ankoatra ny mpandeha izay mitaraina, dia eo koa ny Kaominina, toy ny ao Ivato, izay miezaka manamafy ny fanaraha-maso mba tsy hampijaly ny mponina. Mihaino ny vahoaka sy miara-miasa amin’ny tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny ny mpitandro filaminana ary « mampanaja ny lalàna velona » hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. « Zon’ny mpitatitra ny maneho hevitra, zon’izy ireo koa ny mametraka fitoriana eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly izay tiany, na eo anivon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) na ny eo anivon’ny Polisim-pirenena, raha misy polisy hitan’izy ireo tsy manaraka ny lalàna ny polisy », hoy ity tomponandraikitra ambony ity. Araka izany dia manamafy ny ady amin’ny kolikoly koa ny eo anivon’ny polisim-pierenana Malagasy ao anatin’ny fampihanarana ny lalàna misy, hoy hatrany ity tomponandraikitra ambony ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap