airtel

Fifamoivoizana

01-sept-2021

Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Mety hiakatra 15 ka hatramin’ny 20% ny saran-dalana

Sample post image

Mangataka ny hampiakarana ny saran-dalana ho 15 ka hatrany amin’ny 20 % ireo zotra nasionaly eto amintsika. Fantatra izany

01-sept-2021

 omaly nandritra ny fidinan’izy ireo ifotony teny amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hanatitra ny fangatahana sy hitaraina. Tsy afaka manapaka fahatany ny fampiakarana saran-dalana mantsy izy ireo raha tsy mahazo alalana mazava raha araka ny fantatra. Antony maro no manosika azy ireo ho tonga amin’izany. Anisan’ireny ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny haratsian’ny lalana raha manampy trotraka izany ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tena efa mampitaraina ny maro tokoa ankehitriny. Ho an’ireo mpitatitra miazo an’i Mahajanga any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra ohatra dia nambaran’izy ireo fa tokony efa ho 40.000 Ar ny saran-dalana miainga eto Antananarivo raha mbola 30.000 Ar izany amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ireto zotra nasionaly hangataka ity fampiakarana saran-dalana ity koa moa ireo miazo an’i Toamasina sy Mahajanga.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap