airtel

Fifamoivoizana

24-nov-2021

Fifamoivoizana

Zotra rezionaly sy nasionaly Hiakatra tsikelikely ny saran-dalana

Sample post image

Miakatra tsikelikely ny saran-dalana miazo ny faritra hiantsorohan’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Nisantatra izany ny mampitohy ny distrikan’i Mahanoro amin’Antananarivo izay lasa 30.000 Ar raha 20.000 Ar teo aloha.

24-nov-2021

Toraka izany koa ny mampitohy ny distrikan’i Vatomandry amin’i Mahanoro izay lasa 20.000 Ar raha 16.000 Ar teo aloha. Marina hoy ny tompon’andraikitra fa 84 km ny elanelan’ireo distrika roa ireo saingy handanian’ny fiara 6 ora be izao vao vita noho ny haratsian-dalana. Na izany aza hoy ireo koperativa omaly dia tsy nikorontana na nitabataba ny mpandeha satria mahafantatra tsara ihany koa ny fahasahiranan’izy ireo. Ny mpanakiana tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook hoy izy ireo no tena nanao ny nataony nandrangitan’olona saingy efa tongotra mby an-dakana ny azy ireo. Raha araka ny fantatra moa dia hitohy hatramin’ny fiandohan’ny volana desambra ho avy izao io fampiakarana saran-dalana io ka 10 % no kely indrindra raha mahatratra 40 % kosa no betsaka indrindra.
Pati
Legende : Efa niakatra afak’omaly ny saran-dalana miazo an’i Mahanoro
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

Card image cap
15-avril-2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

Card image cap
12-avril-2024

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

Card image cap