airtel

Fifamoivoizana

22-nov-2021

Fifamoivoizana

Zotra rezionaly sy nasionaly Tsy mbola hiakatra aloha ny saran-dalana

Sample post image

Tsy mbola mihatra manomboka anio alatsinainy 22 novambra ilay fampiakarana saran-dalana kasain’ny mpitatitra ao amin’ny zotra nasionaly sy ny rezionaly hatao.

22-nov-2021

Vao noraisin’ny teo anivon’ny Minisiteran'ny Fitaterana ny faran’ny herinandro teo mantsy ny fananganana ny komity manokana manapaka ny fanitsiana ny saran-dalana, izay ahitana ny solontenan’ny mpitatitra sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Nodinihina nandritra izany ny fandrafetana ny komity sy ny asa miandry azy ary ny fotoana hiasany, araka ny fanamarihana nentin’ny mpitatitra. Tsaihivina moa fa volavolan-dalàna no mandrafitra ny fitsanganan’ny komity manokana ka afaka miasa avy hatrany izy ireo raha vantany vao tafatsangana soa aman-tsara amin’ny ara-dalàna izany. Tanjon’ny komity moa ny tsy hahafaty ny Reniny no sady tsy hahabotry ny zanany izany hoe : sady voatsinjo ny mpandeha no tsy maty antoka ihany koa ny mpitatitra.
Pati
Legende : Tsy mbola hampiakatra saran-dalana ireo mpitatitra
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap