airtel

Finoana

15-juin-2026

191 taonan’ny Baiboly

malagasy voalohany

Sample post image

Hanolotra antsam-panahy ny Feo mamatonalina

15-juin-2026

Hisy ny antsam-panahy mitondra ny lohateny hoe «Ny fanefàn’i Kristy mitondra fiadanana», izay ho tanterahin’ny antoko mpihira Feo mamatonalina ao amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana ny alahady 21 jona 2026 izao, amin'ny 2 ora tolakandro, raha ny fampitàm-baovao avy amin’ny sampana Tanora Kristianina zokiny ao amin’ity fiangonana Kristianina ity ny sabotsy teo. Ao anatin’ny voka-dehiben’ny fiangonana, izay fanao isaky ny volana jona isika izao, hoy ny fanazavàna, fa ho marihina amin’io koa nefa ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny faha 191 taona nahavitàna printy ny Baiboly malagasy voalohany, izany hoe 21 jona 1835-21 jona 2026. Ny Mpitandrina ao an-toerana sy ny biraon’ny fiangonana, ny komitin’ny voka-dehibe, ny sampana Tanora Kristianina zokiny ao an-toerana kosa no manasa ny rehetra hanontrona izany antsam-panahy izany. Tsy misy ny vidim-pidirana, hoy hatrany ny fanazavàna, fa isaorana kosa nefa ny fanahin’ny fahafoizana amin’izay ho avy eny an-toerana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique