antony manosika ny sasany hamoy fo indraindray, lasa adala eny am-pandehanana, tsy mahalala olona intsony….noho ny hamaroan’ny adidy manenjika aza nefa ny tena tsy an’asa. Misy koa ireo manana anton’asa ihany saingy tsy mahasehaka ny filana intsony ny vola miditra noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy lazaina intsony ireo mitsabo ny tsy salama izay efa lany vola aman-karena nefa tsy mahita fitsaharana. Ny vavaka ihany hoy Pastera Heritiana Randriarimalala ny vahaolana amin’izany. Tsy voatery hanana fiara 4x4 na miliardera ny olona mivavaka hoy izy fa mba manana fiainana milamina sy mirindra kosa. Andriamanitra mivantana mantsy hoy izy no mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny fiainany manome filaminan-tsaina sy fiadanam-po ho azy mba tsy hanaonaovany foana. Notsiahiviny moa fa na any amin’ireo firenena efa tena mandrosobe aza dia misy zava-tsarotra hiainana foana noho izany tsy misy afa-tsy ny eo akaikin’Andriamanitra irery ihany no tena vahaolana amin’ny fiatrehana ny fiainana.
Pati
Legende : Sady manatsara ny fiainana ety an-tany no manampy amin’ny fahatongavana any an-danitra ny vavaka hoy Pastera Heritiana !
Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.