airtel

Finoana

22-mai-2024

Akon’ny fetin’ny paska

116 ireo voasambotra nanerana ny Nosy

Sample post image

Nahatratra 116 ireo olona nosamborina nandritra ny fetin’ny Pentekosta lasa teo nanerana ny Nosy.

22-mai-2024

Ny 56 tamin’ireo dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa vokatry ny tsy fanaharan-dalana nataony raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny polisim-pirenena. Anisan’ireny ny fivoahana alina nefa tsy mitondra kara-panondrom-pirenena. Eo ihany koa ny figafigafiana olona mandeha eny an-dalana, ny fanompana arahin’ny fitenenan-dratsy ho an’ny sasany. Nahatratra 32 kosa ny halatra tsotra. Miisa 3 ny halatra moto raha miisa 7 ny harom-paosy nitranga. Nahatratra 10 be izao kosa ny fatin’olona hita, roa ny trano may izay tsy nisy aina nafoy fa fahapotehana entana sy fahasimbana fananana no nisy. Tsiahivina moa fa nahatratra 5.890 isa ireo polisy niasa nanerana ny Nosy nanomboka ny andron’ny Sabotsy talohan’ny fetin’ny Pentekosta teo ka hatramin’ny omaly Talata 21 May. Nambaran’ny teo anivon’ny polisim-pirenena moa fa nilamina ny fetin’ny Pentekosta tamin’ity taona ity tamin’ny ankapobeny raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Pati
Legende : Niasa mafy tahaka izao ny polisim-pirenena nandritra ny fety !
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Isaorana an’Andriamanitra hatrany ny zava-drehetra, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena,

Card image cap