airtel

Finoana

07-juin-2022

Finoana

Alatsinain’ny pentekosta Nahitana taratra ny fahasahiranan’ny olona

Sample post image

Toy ny andro fakan’aina fotsiny ihany ny andron’ny omaly alatsinain’ny Pentekosta ho an’ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy dia nahitana olona firy toy ny tamin’ny fetin’ny paska mantsy teny amin’ireo toerana be olona toy ny mahazatra.

07-juin-2022

Ho an’ny teny amin’ny By pass manokana ohatra dia omaly hariva vao mba nisy olona kely na dia hita teny an-toerana avokoa aza ireo karazana kilalao toy ny soavaly hazo, ny manezy…. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona kilalao iray dia tena maina ny tsena. Fatiantoka no azon’izy ireo tamin’ny fitaomana ireo karazana kilalao ireo fa tena tsy nisy olona mihitsy. Taratry ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano avokoa izany raha fintinina. Ankoatra ireo fety nifanesy tato ho ato mantsy dia sahirana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana rehetra ka naleony naka aina tao an-trano niaraka tamin’ny fianakaviana. Saika tsy nanana teti-bola manokana hiatrehana ny fety rahateo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano. Taorian’ny fetin’ny pentekosta omaly moa dia homarihina amin’ny alahady 19 jona ho avy izao indray ny fetin’ny Ray ary herinandro aorian’izany ny fetin’ny 26 jona, hankalazana ny tsingerin-taona faha-62 nahazoantsika ny fahaleovantena.
Pati
Legende : Tsy dia nifandrombahana ny teny amin’ny By pass omaly
 

Dans la même rubrique