airtel

Finoana

12-mai-2022

Finoana

Androm-bavaka maneran-tany eto Madagasikara Hifanakalo polipitra ny fiangonana zokiny sy zandriny

Sample post image

Ny 4 jona 2022 izao no tontosaina ny “Androm-bavaka maneran-tany” na “Global day of prayer”. Ho an’ny Madagasikara manokana dia ny eo anivon’ny fikambanana Mampiely baiboly Malagasy no mpandrindra azy io.

12-mai-2022

Ny taona 1998 no efa nisy azy io teto Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny FMBM tetsy amin’ny foibeny etsy Antaninarenina omaly. Firenena miisa 120 no miara-manatanteraka izany ary miara-mandray anjara ao avokoa rehefa mahatsiaro ny tenany ho Kristianina na avy amin’ny fiangonana zandriny na zokiny na fikambanana Kristianina maro samihafa. “Fihavanana sy fahamasinana”, araka ny voasoratra ao amin’ny Hebreo 12: 14 manao hoe “Miezaha mitady fihavanana sy fahamasina fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy ahita an’Andriamanitra”. Raha misy fanamby lehibe eto amin’ny firenentsika dia izay fihavanana izay. Indraindray izy io ravan’ny politika, tsy fitoviam-pijery, misy fotoana tena masiaka ny olona ka izay zava-mahatonga fisaratsarahana no voarainy. Izay no anton’ilay hoe “Miezaha mitady fihavanana!”. Mihavana amin’ny olona rehetra raha azo atao, hoy ny tenin’Andriamanitra. Hitaomana ny Kristianina koa anefa io araka izany hikatsaka izay fahamasinam-pitondran-tena izay mba iavahany amin’izao tontolo izao. Fihavanana amin’ny olona samy olona sy fihavanana amin’ny olona sy Andriamanitra no katsahina fa fanamasinana ny fitondran-tenan’ny Kristianina koa. Mandritry ny 101 andro raha atotaly ny hanatontosana ity hetsika manomboka ny 4 jona ity ary amin’ny endriny maro no azo anaovana azy toy ny fiaraha-mivavaka isan-tokantrano na isam-piangonana ary fifanakalozana polipitra eo amin’ireo fiangonana Kristianina zokiny sy zandriny. Hisy toerana iombonan’ny rehetra koa anefa, hoy hatrany ny fanazavana, izay ho lazaina amin’ny fotoana manaraka.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny Mampiely baiboly malagasy
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap