foiben'ity fiangonana ity omaly alahady 23 jolay 2024. Nirodorodo nanao be fihavy niazo an'Ankorondrano nilanja sora-baventy ireo mpino avy amin'ny ankolafy 67ha sy ireo solotenam-paritra. Fanoherana ny jadona amin'ny fitantanana ny fiangonana, ny fialokafolana ara-politika tsikaritry ny mpino izay maha voatonona solombavambahoaka iray, ny tsy fankatoavana ny birao mitantana ny fiangonana no anton'ny fitokonana,... no isan'ny antony, raha ny fanazavana. Herintaona latsaka iray volana aty aoriana, tsy mety milamina ny raharaha. Ny tapaky ny volana aogositra 2022 mantsy no nisian'ilay fifamonoana tamin'ny alalan'ny fifampidarohana seza noho ny raharaha fifidianana nampifanolana. Niitatra tamin'ny fifanoherana tany amin'ireo rantsan'ny fiangonana sasany tahaka ny tetsy Tsarahonenana. Asa raha mbola voatazona ilay hoe: "Fiangonana fiombonana" na efa tafiditry ny leson-dratsin'ny mpanao politika ihany koa ny fiangonana ?
Toky R
Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.