airtel

Finoana

20-juin-2023

Finoana

Antilin'i Madagasikara Diosezy Antsiranana

Sample post image

Filoha hiasa mandritra ny 3 taona i Félix Zafy

20-juin-2023

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay ho filohan’ny Antilin’i Madagasikara hitantana ny diosezin’Antsiranana vaovao mandritra ny 3 taona. Lany tamin’izany Atoa Felix Zafy izay nanambara fa hanitsy izay tsy nety sy handamina, indrindra fa hampivondrona ireo mpikambana izay nisaratsaraka teo aloha tsy hanavahana saranga na sokajin’olona. Toraka izany koa ny fanatsarana ny fanabeazana ireo tanora mpikambana mba ho tena mendrika araka ny finoana arahiny tokoa izy ireo fa tsy sanatria handiso fanantenana ireo mpanabe sy mpampianatra azy. Nankasitraka feno ireo filohan’ny Antilin’i Madagasikara lavitra tonga nanotrona ny fametrahana azy araka izany Atoa Felix Zafy. Nambarany fa vonona ny tenany handray izao andraikitra makadiry izao ho fanohanana ny firenena amin’ny fanabeazana ny tanora. Tonga nanatrika izany Rtoa Sylvia Ranaivojaona izany Reny mpiahy ny Antilin’i Madagasikara ao anatin’izao fankalazana ny faha-100 taonany izao. Nambarany fa zanany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny Antily manerana ny Nosy ary tsy maintsy manotrona azy ireny ny tenany. Zay vita no hatao raha araka ny fanazavany manoloana izany adidy masina izany.

Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana ny filohan’ny Antilin’i Madagasikara diosezin’Antsiranana

 

Dans la même rubrique