airtel

Finoana

27-mars-2024

Antoko mpihira Orimbato sy English worship service

Hampatsiahy an-kira ny nizoran'i Jesoa Kristy

Sample post image

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

27-mars-2024

atolotry ny antokom-pihira Orimbato avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Hampatsiahy an-kira izay nizoran’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika zanak’olombelona mba hananan’izay mino ny fiainana mandrakizay, hoy ny fanazavana. Iarahany miasa amin’ny Komitin’ny EWS na English worship service Foibe FJKM izany izay anoloran’i Stella Carol Ratefinanahary ny hira amin’ny teny anglisy, hotanterahina amin’ny fizaram-potoana faharoa. Hira notsongaina tamin’ny fihirana amerikanina sy anglisy izay efa fantatra sy vao hofantarina ihany koa toy ny «The way that He loves» an’i Elmo Mercer sy «To God be the glory» an’i Crosby & Doane. Milaza ny fIjaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Eo koa anefa ireo hira mitaona mba handray izany famonjena izany toy ny «In Chirst alone» an’i Keith Getty sy «He is the Light». Misy ny hira amin’ny teny malagasy amin’ny fizaram-potoana voalohany izay efa fantatra na vao hofantarintsika toy ny «Ny Holatrao» an’i Ndriana Ralambomiadana, «Hangina aho» an’i Aimé Raoeliarijaona, «Tsarovy aho» an’i Fahatokiana Razafimamonjy. Tononkalon’i Nirina Randriamamonjy kosa no handravaka izany. «Fiainana sy fiadanana» no lohatenin’ity Antsa Paska ity izay ankinina amin’ny soratra masina araka ny Jaona 316 “ ...tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.” Anasana am-pitiavana antsika rehetra hiaraka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 31 martsa amin’ny 3ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ity hetsika ity ary hisy fizarana fahatsiarovana kely ho an’izay rehetra manatrika ny fotoana mba ho firariantsoa noho ny andro Paska, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny antoko mpihira Orimbato.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap