STK) eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Mpino tanora an'aliny no andrasana ho avy amin'izany. Nanomboka ny alatsinainy 19 Aogositra teo ny Fifaninanana ara-panatanjahantena, ny football basketball, ny volleyball ary ny tsipy kanetibe. Nahatonga solontena avokoa ny Synodamparitany 38. Lohahevitra banjinina mandritra ity Fihaonambe ity ny hoe “STK miorina tsara, mihazakazaka ho an'ny Filazantsara”. Ankoatra ny fifaninana ara-panatanjahantena dia hisy ihany koa ny fifaninanana Soratra Masina sy hira izay hanomboka ny alarobia 21 aogositra izao. Izany moa no natao dia ho mariky ny fampiombonana ireo tanora Kristiana manerana ny nosy.
RTT
Sary fanehoana