airtel

Finoana

22-mars-2023

Finoana

Antso fiaraha-monina kristianina Hanatanteraka ny vinan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara

Sample post image

Vonona hanatanteraka ny vinan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara ny Antso Fiaraha-monina Kristianina na ny AFK tarihin’ny filohany Andriamparany Ricky.

22-mars-2023

Nisy omaly ny dinidinika niarahana tamin’ny mpanao gazety mifandraika amin’izany izay tsy mivoana amin’ireo loha-hevitra fito nambarany fa tokony hovahana eto amin’ny tany sy ny firenena raha tiana ho tonga any amin’ilay ho avy mamirapiratra i Madagasikara. Efa hananantsika ny fitaovana hoy Andriamparany Ricky fa ny olona sisa no andrasana. Efa maro ihany koa hoy izy ireo hetsika notanterahina toy ny atrikasa, ny foroma, ny sempozioma…. Tsy maintsy hajoro eto Madagasikara araka izany hoy izy ireo fanovana fito ireo mba tsy ho zazakely intsony no hitondrana ny Malagasy raha izay hatrany no niainana hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’ireo fanovana miisa 7 ireo raha tsiahivina ny resaka fanatsarana ny fanabeazana, ny fomba fitantanana ny toe-karena, ny fanitsiana ny rafi-piaraha-monina mba ho fiaraha-monina misy firaisan’aina, mifanome tanana sy mifamelona fa tsy sanatria mifamaky vava. Eo ihany koa ny fampitoviana hasina ny olona tsirairay avy mba hahafahana manohitra ireo tera-tany vahiny mitady hampiady, ny fametrahana an’Andriamanitra an-tampon’ny loha amin’ny toerany fa tsy ny zava-boahary indray no lasa lolohavina miaraka amin’ireo fanahy maro samihafa.
Pati
Legende : Andriamparay Ricky, filohan’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina
 

Dans la même rubrique