airtel

Finoana

28-mars-2024

Antso fiarahamonina Kristianina

«Manana fanomezana ho an’i Madagasikara Andriamanitra…»

Sample post image

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

28-mars-2024

Espace Tazana Alasora ny 12 aprily 2024 ankehitriny ny antoko politika Natiora sy ny Antso fiarahamonina Kristianina na AFK, hoy ny filohan’ny AFK, Ricky Andriamparany. Olona miisa 50 eo, hoy izy, no hahazo fanasana an-taratasy ary hanana 2 minitra avy hahafahan’izy ireo maneho hevitra mamaly ny fanontaniana hoe «Ahoana ny fahitanao ny hoavin’i Madagasikara? Hamirapiratra be ve sa tena tsy misy antenaina?». Eny na tsia no valin’izay dia samy milaza ny antony eo. Tsy misy sasin-teny be. Nisy fikarohana efa nataon’ny AFK tsinona. Efa hita ny lalana hanatanterahana ny vinan’Andriamanitra mikasika ity firenena ity. Efa misy fitaovana avo lenta vita rindram-baiko na «progiciel de gestion intégré» ao. Misy boky siantifika maro efa vita. Miisa 9 izy izao. Ny 7 nivoaka tamin’ny 2020 ary ny faha 8 sy faha 9 ho avoaka amin’io 12 aprily io. Misy boky faha 10 aza efa an-dalana ny fanoratana azy fa mbola mitady ny olona hanao ny sava lalana na «préface» hoe ahoana no ahafahana tena mampiroborobo ilay dingana stratejika na «prospective stratégique» satria ianao tsy afaka manao ny tena stratejia raha tsy nandalo an’izay hoe ohatran’izao no hoavy. Napetraka ny hoe «vision existentielle» na vinam-pisian’ny firenena. Io no mahakasika ny faminaniana momba ny firenena. Efa vita io dia nantsoina hoe «Approche GAVE» na «Gestion accessible à vision existentielle», izany hoe «paika GAVE». Ilain’ny firenentsika izany. Mety ilain’izao tontolo izao koa. Manasa ny rehetra ho tonga maro satria atonona olona miisa 400 ny toerana saingy ireo nahazo fanasana manokana ihany no manana fahafahana hamaly ilay fanontaniana voalaza teo anaty 2 minitra avy. Misy fotoana ahafahantsika rehetra mifanakalo hevitra avy eo satria ny tanjona dia hoe mba hitodika any amin’Andriamanitra ity firenena ity. Manana fanomezana ho an’i Madagasikara Andriamanitra eo am-pelan-tanany fa isika no tsy mety mandray izany, hoy hatrany ny Antso fiarahamonina Kristianina.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap