airtel

Finoana

25-sept-2025

Antso fiarahamonina Kristianina

«Mandady amin’ny vahiny isika»

Sample post image

12 aprily 2024 no fotoana nifampiresahan’ny Antso

25-sept-2025

fiarahamonina Kristianina na AFK farany tamin’ny haino aman-jery, hoy ny filohany, Ricky Andriamparany. Nanao hetsika teny amin’ny Espace Tazana Alasora tamin’izay fotoana izay nandinika ny hoe ho avin’ny firenena, izay niantsoana ankolafin-kery samihafa, hoy izy. Taorian’izay ny AFK izay sehatra natao hampiroborobo ny orinasa malagasy dia nanao ezaka samihafa satria nisy hetsika samihafa natao taty amin’ny Tana hotel taty avy eo. Ity taona 2025 ity no nosokafana ny Galérie Fitahian’ny avo, izay tsena ahafahana mamadika ny sehatra tsy manara-drafitra na «informel» ho lasa manara-drafitra na «formel». Nifindra any amin’ny faritra taorian’izay. Any izany izao satria misy ilay faminaniana momba ny firenena hoe eto Madagasikara no hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny ka hamirampiratra be izany ity firenena ity. Hamirampiratra ny faritra hatrany amin’ny fokontany satria ho lasa sangany manerantany i Madagasikara. Tany amin’ny faritra atsinanana izao no namaky lay ny lohabary an-dasy ny 28, 29, 30 jolay teo. Tamin’izay hoe ny Kristianina ihany no antsoina dia niitatra hoe sokafy amin’ny fiarahamonina manontolo amin’izay! Ny 18, 19, 20 aogositra tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita. Orambe naha difotra rano an’i Toamasina izany fa tonga nanatrika ny olona. Nosokafana ny sekolin’ny fandraharahana sy fandrafetana hazon-damosina ny 1, 2, 3 septambra teo tany amin’ny faritra atsinanana ihany. Mandady amin’ny vahiny isika. Tsy mijoro tsara ny hazondamosin’ny isam-batan’olona no dikan’izany. Ezahana ho sokafana isaky ny toeram-pampiofanana, noho izany, io sekoly io. Misy taranja miisa 36 ao. Manaraka fomba vaovao antsoina hoe LTES na «Lecture transversale, en escalier et en spirale» ny fomba fampianarana. Nojerena bango tokana ireo taranja ireo tamin’ny fiandohan’ny septambra ary manomboka mampihatra ireo niofana. Misy dingana na «niveau» miisa 8 no hiasàna. Eo ny any amin’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ny ambaratonga fototra, hatrany amin’ny «Doctorat». Miisa 90 kosa ireo mpampianatra niofana hampita fahalalana anatin’izany. Fanontaniana miisa 2 no tsy maintsy valiana amoahana sehatra iray anaty lavaka dia ny hoe «Manana vina iraisana amin’ny hoavy ve ilay sehatra?». Tsy manana vina iraisana i Madagasikara ka tsy ho tafavoaka anaty lavaka izy rehefa tsy manana an’izay. Isaorana an’Andriamanitra fa efa nisy ny faminaniana momba ny firenena izay efa voadinika teo anivon’ny AFK. Fantatra koa hoe fasana talenta ny firenentsika ankehitriny satria misy tsy an’asa dia izay no nanokafana ilay «Galérie Fitahian’ny avo», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique