airtel

Finoana

21-juil-2021

Finoana

Association Musulmane Ahmadiyya Nizara fanampiana ho an’olona 400 isa

Sample post image

Nankalaza ny fetin’ny sorona na ny Eid Al Adha izay nomarihina omaly Talata 20 Jolay ny Association Musulmane Ahmadiyya de Madagascar etsy Anatihazo Andavamamba tarihin’ny misionera an-tsitrapo Ahmed Mudassir.

21-juil-2021

 Anisan’ny tanjon’ny fikambanana rehefa fetin’ny mpino Slamo tahaka izao ny hanehoana amin’ny rehetra fa izy ireo dia manao asa famoizana ihany koa toy ny saika nanaovan’ny Hadhrat Ibrahim sorona ny zanany Hadhrat Ismael. Tsy mpampihorohoro araka ny fitsaran’ny sasany aza araka izany ny mpino Slamo fa tena mandala ny fihavanana sy mitsinjo ny mpiara-belona tokoa hoy ny misonera Ahmaed Mudassir. Nanaporofoin’izy ireo izany omaly ny fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana miisa 400 manodidina azy teny Anatihazo Andavaamba. Toraka izany ihany koa ny tany Fianarantsoa izay nahitana fianakaviana miisa 500, ny tao Manakara misy fianakaviana 150, ny tao Toliara misy fianakaviana miisa 150 raha manodidina ny 70 isa kosa ireo nahazo izany tao Milenaka Toliara. Tsiahivina moa fa firenena maherin’ny 215 maneran-tany no efa misy ny fikambanana ankehitriny ary miezaka hatrany izy ireo manohana ny mpiara-belona na ara-pinoana izany na resaka tolo-tanana sy fanohanana.
Pati

 

Dans la même rubrique