airtel

Finoana

29-févr-2024

BIBY MITROKA RA-PASTERA HERITIANA

« Matetika mifamatotra amin’ny fanahy »

Sample post image

Anisan’ny vaovao mbola mitana ny sain’ny maro hatrany ny mikasika

29-févr-2024

ilay biby mitroka ra mampihorohoro sy mampatahotra vahoaka eny anivon’ny fiaraha-monina eny eto amintsika. Tsy mijanona amin’ny fihinanana biby fiompy intsony izany fa efa tonga hatrany amin’ny fandratrana olona mihitsy ka tsy vitsy ireo mihorohoro tanteraka. Rehefa nanontaniana ny mikasika io biby io Pastera Heritiana Randriarimalala omaly dia nambarany fa rehefa biby mitroka ra na mihinan-dra dia mifamatotra amin’ny fanahy matetika ary azon’ny devoly hatao fitaovana. Tafiditra ao anatin’izany ny hao, ny haofotsy, ny parasy…Toraka izany koa ny trambo izay tsy mivoaka raha tsy amin’ny alina hoy izy. Anisan’ny tena tanjon’ireny karazam-biby ireny araka izany raha ny fanazavany ny hampihorohoro sy hampatahotra ny olona. Vahaolana arosony araka izany ny tsy tokony hodiana alina. Toraka izany koa ny fangatahana fiarovana amin’Andriamanitra. Notsiahiviny moa fa efa tamin’ny 3 taona lasa no nahitana io biby io teny amin’ny By pass ka tsy fantatra na niteraka izy io na misy namana antony mampiparitakabe azy ankehitriny. Mety misy miompy ihany koa izy ireny hoy izy toy ny mpamosavy saingy tsy voafehiny intsony ka ireny tafavoaka mandehandeha mihinana biby fiompy sy mandratra olombelona ireny.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Dans la même rubrique