airtel

Finoana

22-juil-2026

Diovy i Madagasikara

«Mila fototra izao fitondràna izao»

Sample post image

9 volana eo izay no nitsanganan’ity

22-juil-2026

fitondràna fanavaozana ity. Ny hita, hoy ny avy eo anivon’ny vovonana politika Diovy i Madagasikara, dia hatramin’ny voalohany, rehefa nodiovina i Madagasikara, dia tsy ao anatin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 ny fahafaha-manova rafitra. Mamatotra io, hoy ny filohan’ny Diovy i Madagasikara, Beanjara Paul, ka tsy ahafahan’i Madagasikara manorina ifotony ny repoblika. Rehefa sahirana isika, hoy izy, dia mitady fanampiana avy atsy havia sy havanana amin’ireo firenena mamatotra antsika ireo. Na ny hanao fikaonandoham-pirenena aza manahirana. Masi-mandidy izany fikaonandoham-pirenena izany ka izay avoakany eo no izy. Sahirana amin’izay, vokatr’izany, izy 3 tonta dia ny filohan’ny fanavaozana miaraka amin’ny praiminisitra, ny minisiteran’ny fanavaozana tarihin’ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa, ny FFKM. Samy te ho lohany sy ho atao maro ireo hitondra ny «Terme de référence» na ny hodinihina anatin’io. Tsy mifankahazo ireo noho izany. Tokony mametraka daty mazava tsara izay hanao an’io hoe fikaonandoha eny amin’ny fokontany sy firaisana, ohatra, no atao amin’ny aogositra. Dinika santatra any amin’ny distrika indray avy eo septambra. Faritra amin’ny oktobra dia mamarana azy novambra sy desambra. Tsy tokony hihoatra an’ity taona 2026 ity izany. Tsy ankasitrahan’ny Diovy i Madagasikara ny fanitarana ny fanaovana fikaonandoham-pirenena. Io tsinona no mamaritra ny tokony atao eto fa amin’izao isika sady tsy fisoloana toerana na «intérim» no tsy tetezamita. «Intérim» izany voalazan’ny lalàmpanorenana fa 2 volana. Ny fitondràna nefa izao efa 9 volana. Tsy tetezamita koa satria isika mbola manaraka ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4. Izay no antony hiantsoanay hoe andao hiditra tetezamita ho fanorenana amin’izay misy fototra ara-dalàna. Apetraka ny fitsipi-dalao. Ravàna ny rafitra rehetra izay napetraka tao anatin’ny repoblika faha 4. Rafitra mampahory miteraka asa mitanila io. Tsy misy fifanarahana mandeha vokatr’io na ny mikasika ny harena ambanin’ny tany na trondro na inona. 5% fotsiny no anjara miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina, ohatra. 7% no azo amin’ny fampiasàna ny Madagascar oil company. 2 na 3% miaraka amin’Ambatovy dia rahoviana izany isika no hanan-karena raha mahantra be fiantrana eto foana. Firenena tsy manana harena an-kibon’ny tany, tsy manana trondro, tsy manana fasimainty sy ny rehetra i o ve izany no omena variboba ny harenantsika eto? Izany rehetra izany no ilàna fanovàna eto ary ny tetezamita ihany no ahafahana mametraka izany satria mila fototra izao fitondràna izao fa tsy misy fototra, hoy hatrany ny Diovy Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique