airtel

Finoana

12-juil-2021

Finoana

Disosezin’i Tsiroanomandidy Tafapetraka ny Eveka vaovao Mgr Gabriel Randrianantenaina

Sample post image

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha Eveka vaovaon’ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina.

12-juil-2021

 Izy no eveka faha-4 hitantana ny Diosezin'i Tsiroanomandidy taorian'i Mgr Angel Martinez, Mgr Jean Samuel Raobelina, Mgr Gustavo Bombin Espino. Tamin’ny alalan’ny lamesa lehibe teo ambany fitarihan’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana tao amin’ny Kianjan’ny Lycèe Tsiroanomandidy omaly alahady 11 jolay 2021 no nentina nametraka azy tamin’ny toerany. Marihina fa tsy nisy eveka natritra ny telo taona i Tsiroanomandidy taorian’ny nandehanan’i Mgr Gustavo Bombin Espino nifindra any amin’ny Diosezin’i Maintirano. Tamin’ny 30 aprily lasa teo no notendren’ny Papa François ho evekan’’i Tsiroanomandidy ity i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Talohan’ny nanendrena azy, dia Sekretera-Mpandrinara na “Secrétaire-Coordinateur” teo anivon’ny Conférence épiscopale ny tenany. Ny sabotsy lasa teo ity Eveka vaovao ity no nihazo an’Ankadinondry sakay, ary noraisin’ireo pretra ao anatin’ny diosezy notarihin’i Mompera Jean Claude Rakotoarisoa, ary teo ihany koa ireo solontenam-panjakana nahitana ny governoram-paritra, ny depiote, ary ny ben’ny tanànan’Ankadinondry Sakay.
ENCADRE
Tafiditra anatin'ny fomba sy ny litorjian'ny Fiangonana ny hoe rehefa fanamasinana Eveka dia tsy maintsy Eveka telo no manamasina an'ilay Eveka voafidy. Raha ho an’ity tany Tsiroanomandidy ity izao dia misy ny mpanamasina voalohany : Kardinaly izy eto, Mpanamasina faharoa : Nonce Apostolique, ary ny Mpanamasina fahatelo dia ny Evekan’ny Diosezin'i Maintirano, Eveka izay niandraikitra an'i Tsiroanomandidy teo alohan’ilay Eveka vaovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap