airtel

Finoana

11-avril-2023

Finoana

Dr Irako Andriamahazosoa Ammi ”Mitsangäna amin’ny maty !”

Sample post image

Finaritra! Fiadanana ho anareo!” , hoy i Jesoa Kristy tamin’ireo mpianany, raha nitsangana tamin’ny maty izy, ary hoy izy aminao koa androany, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM,

11-avril-2023

ny Dr Irako Andramahazosoa Ammi, tao anatin’ny fiatrehana ny Paska! Miarahaba antsika noho izao Paska 2023 izao, hoy izy. Ny herinandro masina sy izao Paska iainantsika izao anie ho loharanom-panavaozana lalina ho antsika rehetra mba hahatratra antsika ny fahamarinana raketin’ny tononkiran’ny fiangonana voalohany nampahatsiahivin’I Paoly Apostoly ao amin’ny Efes.5,14 hoe”Mitsangäna amin’ny maty!”. Ianao sakaiza manody, mody manoroka nefa mamadika, toa an’I Jodasy Iskariota, adalam-bola ka namadika ny tompony tamin’ny sekely 30, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao feno hafanam-po diso toerana, toa an’I Petera nikapa ny sofin’I Malko mpanompon’ny mpisoronabe, ”Mitsangäna amin’ny maty!”. Ianao mpitarika be resaka nefa tsy mena-mivadika toa an’I Petera nanda in-telo ny tompony, ny zavatra nilokalokana hafa, nefa ny tena atao hafa, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao mpianatr’I Kristy, nefa toy ireo mpianatra kanosa, nitsoaka natanjaka na nitsoaka nitanjaka nony tojo ny mafy, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao mpitsara tsy sahy mijoro amin’ny fahamarinana, manameloka olona hitanao ho tsy meloka, manasa tanana ho porofon’ny fialana andraikitra feno hakanosana, toa an’I Governora Pilato, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo izay maniratsira an’I Jesoa Kristy, manao azy ho fiomehezana, toy ireo nampisatroka tsilo sy nikapoka ary nandrora azy, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao mpitondra fivavahana mpambosy vahoaka hiantsoantso ny “homboy! homboy” noho ny fialonana. ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo vahoaka vokisan’ny manam-pahefana lainga, asesika hamono olo-marina, dia roboka tsy amim-pisainana, asaina mifidy dia jiolahy no fidiana, toy ireo vahoaka tao Jerosalema fahizay. ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo vahoaka mpivadibadika, anio miantso hoe”Hosana”, avy eo miantso hoe”Homboy!”, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo diso finoana toy ireo vehivavy nihazakazaka maraina ho eny amin’ny fasana nefa tsy nahita afa-tsy fasana foana, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo lehilahy resim-bavy ka nahatonga ny vehivavy ho lasa mpitory voalohany ny filazantsaran’ilay nitsangan-ko velona, ianareo lehilahy nitorian’ny vehivavy ny filazantsara nefa tsy nino, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianareo izay toy ireo miaramila romanina nofahanam-bola, nanaovana kolikoly, dia lasa nampiely lainga, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao izay efa nandre sy namerimberenana ny tenin’i Kristy nefa mafy fo sy be saina tsy mety mino toy ireo mpianatra fahizay, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Ianao taranak’i Tomasy be fisalasalana, tsy mety mahatakatra fa “sambatra izay tsy nahita nefa nino”, ”Mitsangäna amin’ny maty!” Eny, ”Mitsangäna amin’ny maty, dia hampahazava anao i Kristy!” Dia ho Paska vaovao ho antsika anie ity Paska 2023 ity! Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique