airtel

Finoana

18-oct-2021

Finoana

Dr Irako Andriamahazosoa Ammi « Tsy misy marimaritra iraisana amin'ny satana izany… »

Sample post image

Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe omaly alahady 17 oktobra ny fanompoam-pivavahana fanolorana sy ho fitondrana am-bavaka ireo tompon'andraikitra vaovao voafidy ho amin'ny taom-piasana 2021-2025

18-oct-2021

 eo anivon’ny FJKM. Hafatra avy amin'ny Toriteny nentin’ny filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina ny hoe: Manasa ny olona rehetra hiditra amin'ny fankany Andriamanitra, izay nanehoany fa tsy misy fanavahana fokom-pirenena, tsy mifidy saranga,... Mety hisy anefa tafiditra ho roahin' Andriamanitr, nisy ny akanjo nomena amin'ny fampiakaram-bady, nisy ny nampandrosoina, nomena sakafo fa ho voaroaka, izany hoe mety manana andraikitra samihafa, efa ao am-piangonana, efa Mpandray,... fa mety ho roahina ihany. Misy ny fepetran'Andriamanitra, ny antso dia malalaka fa tsy gaboraraka, ary mila manaiky an'I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao. Misy ohatra olona mandray andraikitra ao am-piangonana nefa sady manompo sampy, mampifangaro fivavahana,... Jesoa Kristy hitafiana mba hidiranao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, tsy misy marimaritra iraisana amin'ny satana izany amin'ny fahamasinan'ny fitondran-tenanao (na fiarahan'ny lahy sy lahy, na vavy sy vavy, ny fijangajangana,...) na eo ary ny rivotra mitsoka samihafa amin'ny fiaraha-monina, ny antso dia malalaka fa tsy gaboraraka, hoy ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina Filohan’ny FJKM.
Toky R
 

Dans la même rubrique