airtel

Finoana

07-sept-2022

Finoana

Efa tsy salama tamin’ny fanokafana ny JMJ Nodimandry i Mgr Philippe Ranaivomanana

Sample post image

Nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany ny marainan’ny omaly 06 septambra 2022 ny Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana.

07-sept-2022

Notsaboina maika tao amin’ny Clinique Avé Maria (Masera) Antsirabe izy no izao tsy tana izao ny ainy. Ity Evekan'Antsirabe ity no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandraisana sy ny fanatontosana ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada X notontosaina tao an-dRenivohitr’I Vakinankaratra ny 30 aogositra-04 septambra teo, niaraka tamin'ny Vovonan'ny Tanora Katolika. Tamin’ny fotoam-panokafana no efa tojo tsy fahasalamana tampoka, nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Naneho fikirizana izy ny alahady 04 septambra 2022 fotoam-pamaranana ny JMJ. Izy no tokony ho nandray fitenenana hisaotra ireo nasaina sy ireo tanora an'aliny mpivahiny, saingy tsy vitany intsony noho ny faharefoany ara-batana, nitondra “lunettes d’oxygène” mantsy izy nandritra io, ary dia nipetraka hatrany na tamin’ny fotoana tokony hitsanganana aza. Ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka no nisolo toerana azy nanao teny fisaorana sy famaranana izany. Ny takarivan’ny alatsinainy teo, nidina niara-nisakafo tamin’ny pretra, ka naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany. « Misaotra anareo mpiara-miasa akaiky amiko fa tontosa soamantsara ny JMJ, tsy mora ny mandray mpivahiny an’alina, ary ianareo no tena nanomana sy niara-niosom-bovoka tamin’ny olona tany, izaho manokana dia faly ary maro ny olona nankasitraka antsika, ny manao zavatra ihany koa tsy mora … », hoy izy, araka ny vaovao azo. Raha ny ampahany amin’ny tantarany, teraka ny 12 mey 1949 ny Mgr Philippe Ranaivomanana. Nahamasinina ho Pretra ny 16 oktobra 1977, voatendry ho Eveka ny 2 janoary 1999, ary nandray ny asa maha Eveka azy ny 13 mey 1999. Eveka tany Ihosy izy teo aloha, ary nanankinan'ny Papa Ray Masina ny Diosezin'Antsirabe nanomboka ny 13 novambra 2009. Efa nentina namonjy ny Notre Dame de la Salette ao Antsirabe ny nofo mangatsiakany omaly, ary andrasana ny tohin’ny fandaharam-potoana.
FAHALASANA NITOVITOVY
Niteraka fahatsiarovana ny nahalasan’ny Evekan’I Mahajanga Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao, izay nodimandry ny sabotsy 03 novambra 2018 ny fahalasan’ny Mgr Philippe Ranaivomanana. Raha tsiahivina, vao vita ihany koa ny JMJ Mada andiany faha-9 tany Mahajanga dia nodimandry izy. Mpinamana be ireto Eveka roalahy ireto, ary dia nitovitovy ny fotoana sy ny fomba nahalasanany. Mankahery ny Fikambanamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Fiangonana Katolika manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap