airtel

Finoana

07-juil-2022

Finoana

« Eid Al-adha » fetin’ny silamo Andro tsy fisana ny sabotsy 09 jolay

Sample post image

Nisy omaly ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy mitondra ny laharana 074//MTEFPLS/DGTLS/2022 manamafy ny maha andro tsy hiasana kanefa

07-juil-2022

 handraisan-karama ny andron’ny sabotsy 09 jolay 2022 izao, noho izy andro natokan’ny mpino silamo hanamarihany ny «Eid al-adha », izay fetin’izy ireo. Notsiahivin fa araka ny andininy faha-2 ao amin'ny Didim-panjakana laharana faha 2022-002 tamin'ny 05 Janoary 2022 mamaritra ny lisitry ny andro tsy hiasana nefa andraisan-karama, ho amin'ny taona 2022 dia nohafamafisina sy nambara fa tsy hiasana nefa andraisan-karama ireo andro voatondro ho « Eid Al-Fitr » sy « Eid Al Adha », araka ny tetiandro nofaritan'ny Fikambanamben'ny Silamo. Ka noho izany, ny famaritana ireo daty mifandraika amin'ireo dia andraikitr’izany FIkambanambe izany feno. Araka ny voalazan'ireo taratasy laharana faha 02/FSM/BN/PR/2022 sy laharana faha 24/FSM/BN/2022 kosa, izay nataon'ny Filohan'ny Fikambanana « Fikambanana Silamo Malagasy izay mamaritra sy manamafy fa ny datin'ny 09 Jolay 2022 dia noraiketina ho andron'ny Eid Al-Adha io, ka nanambarana omaly 06 jolay fa ny andron'ny 09 Jolay 2022, fetin'ny Eid Al-Adha dia natao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama, manerana ny tanin'ny Repoblikan'1 Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao ofisialy.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique