airtel

Finoana

29-avril-2022

Finoana

“Eid Al-Fitr” fetin’ny Silamo Tsy hiasana kanefa handraisan-karama ny 2 may

Sample post image

Natao ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny alatsinainy 2 may 2022, fetin'ny Eid Al-Fitr, araka ny fampahafantarana mitondra ny laharana N°56 MTEFPLS/SG//DGTLS/2022 nataon'ny minisiteran'ny Asa,

29-avril-2022

ny Fampanana'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy omaly 28 aprily 2022. Ho fanamafisana ny andininy faha-2 amin’ny didim-panjakana 2022-002 tamin’ny 5 janoary 2022 mamaritra ny andro tsy hiasana nefa handraisan-karama ho an’ity taona ity io, ka anisan’izany ny “Eid Al-Fitr” izay famaranana ny ramadany sy ny “Eid Al Adha”, araka ny tetiandro nofaritan’ny mpino silamo. Miankina tanteraka amin’ny Fikambanana Silamo Malagasy kosa ny famaritana ny andro sy ny daty. Efa nisy kosa anefa ny taratasy 02/FSM/BN/PR/2022 izay nataon’ny Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagasy, mamaritra sy manamafy fa ny 2 may no andron’ny Eid Al-Fitr. Izany indrindra no namoahan’ny Fanjakana fa andro tsy hiasana kanefa handraisan-karama ho an’ny eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara io 2 may io ho fanajana ny fanamarihan’ny mpino silamo izany.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Iray lisitra lisitra amin’ny kandida depiote Alain Ratsimbazafy ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny mpitandrina Jonah Ranaivo.

Card image cap
15-avril-2024

Nankalaza ny fetin’ny Alahamadibe teny Ambohimanambola omaly ireo mpino sy mpankato ny fomba nentim-paharazana malagasy

Card image cap