ho avy izao ary hanatanteraka seho fitoriana miisa 3 izy ireo. Ny 2 amin'izany dia eto Antananarivo : CCI Ivato sy Antsahamanitra, ny iray kosa dia any Toamasina. Niforona tamin'ny taona 1989 ny tarika , izay misy an'i Chris sy i Laura Christensen. Thierry ary i Thierry Ostrini. "EXO" amin'ny teny grika izay midika hoe "ivelany" no anarana nentiny satria tsy mijanona anaty rindrin'efatry ny fiangonana ny fitoriana ny filazantsara fa any ivelany sy eny rehetra eny ihany koa. Raha tsiahivina dia efa nandalo teto Madagasikara ny tarika ny taona 2018, ary nanao fitoriana teto Antananarivo sy Toamasina ihany koa. Fa amin'ity indray mandeha ity, ankoatry ny fampisehoana dia hisy ihany koa ny fampianarana an'ireo olona mpitarika fiderana na "atelier pour les leaders de louanges" izay hotanterahin'izy ireo ny 02 mey 2025 ho avy izao ao amin'ny Havoria Anosy.
Nangonin’i RTT