izy tamin’izany, fony naorin’ny mopera Pierre Dumas de Paisac voalohany tao amin’ny katedraly Andohaly, hoy ny fampahafantarana fohy momba izany tetsy Ambatoroka omaly. Ny taona 1957 izy no lasa nahaleotena ho Antilin’I Madagasikara. Mpikambana feno ao amin’ny « Conférence international du scoutisme catholique » na CICS sy ny OMMS na « Organisation mondiale du mouvement scoutisme » ary FSM na Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara. Mankalaza ny faha 100 taonany, araka izany, ny AIM manomboka ny 22 martsa 2023 io ka maro, noho izany, ny hetsika atao entina hanamarihana izany izay harindra araka ny fandaharam-potoanan’ny eglizy katolika. Ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly Katolika ao amin’ny evanjelin’i Masindahy Joany 15: 5b manao hoe « Satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo ». Miantso ny Antily rehetra manerana izao tontolo izao, ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara, izay miantsehatra anaty fanabeazana skoto sahady, noho izany, hoy hatrany izy ireo, mba hiara-hientana amin’izany ary ny any amin’ny diosezy koa mba hanangana ny komity faha 100 taona, araka ny toromarika omena. Miisa 21.000 eo moa ankehitriny ireo mpikambana anaty Antilin’i Madagasikara ary miandahy miambavy, hoy hatrany ny fanazavana, ary hisy koa, mazava ho azy, ny tsangambato ho fahatsiarovana izay fandalovan’ny 100 taona izay.
J. Mirija