airtel

Finoana

11-août-2022

Finoana

Faha-185 taonan’ny Maritiora Malagasy Hitory teny an-kira ny “Lehilahy Midera Ambatonakanga”

Sample post image

Ara-tantara, tamin ny 22 Mey 1831 dia nivoaka ny tenin’Andriana nilaza fa azo atao ny Batisa sy ny tandraisana ny Fanasan’ny Tompo, ho an'ny Malagasy, raha toa ka

11-août-2022

 voarara izany tao anatin'ny 21 taona niasan'ny Misionera (1820-1831). Ny 5 Jona 1831 no notokanana ho trano Fiangonana ny tao Ambatonakanga izay vita tamin’ny hazo. Ny Alahady 12 Jona 1831 kosa no nijoro ho Fiangonana Protestanta Malagasy voalohany ny mpandray tao Ambatonakanga,... Ny 1 Martsa 1835 anefa dia novoriana ny Ambanilanitra nilazana ny tenin'Andriana fa hajanona tanteraka ny Fivavahana Kristiana sy ny fombany ka tonga voarara izany teto Madagasikara. Nomena iray volana ny mpivavaka hiampanga tena. Rafaravavy Rasalama dia isan’ny nandrafitra ny Fiangonana tao Ambatonakanga, vita batisa tao Ambodinandohalo ny 29 Mey 1831 izy ary noraisina ho mpandray ny 12 jona 1831. Tsy mety nivadika tamin’ny finoana kristiana izy ka dia nosamborina ny zoma 4 Aogositra 1837… Nolefonina teny Ambohipotsy ny 14 aogositra 1837. Ny làlana nizorany dia nampitondrain'ny Fanjakana Malagasy ny anarana hoe Lalantsara Rasalama tamin'ny taona 1987 izay nanamarika ny faha-150 taonan'ny maritiora malagasy. Nony efa holefonina izy dia nivavaka ary nony vita ny vavaka dia nihira ny hira hoe "Hitako ny lalantsara ka hizorako zao".(HIRA FFPM 540), dia nolefonina izy ka dia maty ary tsy mba nalevina. Ho fahatsiarovana izany dia nisy takela- pahatsiarovana iray amin’ny anarany napetraka ao amin ny Chapel Brunswick, any Bristol, Angletera. Feno 185 taona amin'ity taona 2022 ity ny namonoana ny maritiora Malagasy voalohany, ka homarihin' ny Fiangonana Kristiana manontolo. Hampiavaka ny ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny fanompoam-pivavahana handrenesana toriteny an-kira atolotry ny LEHILAHY MIDERA ka iarahany manatontosa amin’ ny Mpitandrina Yvette Rabemila, Filoha mpanampy FJKM (1992-200). Ao anatin' izany no hamoahana boky tantara fahatsiarovana milohateny hoe “Vehivavy malagasy Maritiora” nalaina tamin’ny asa-soratr’i H.A RIDGWELL “Madagascar's girl martyr” (1932), izay nadikan'i Jacques Ramanamirija (2012). Manasa ny rehetra noho izany ny LEHILAHY MIDERA, hiara-miombona amin’izany fahatsiarovana tsingerin-taona lehibe izany ny Alahady 14 Aogositra izao amin'ny 9ora sy sasany maraina, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap